Tsy hionona amin’ny fandraisana ireo tatitra mikasika ny famotsiam-bola ny SAMIFIN fa hiditra amin’ny fikarohana mba hampahomby kokoa ny Ady amin’izany hoy ny tale jeneraliny RAJAONARISON Mamitiana.
Hiompana amin’ny fanaovana fanadiadiana mikasika ireo « grands dossiers » na ny raharaha goavana ny asa manomboka eto, hoy ity tomponandraikitra ity. Ny tena tanjona ihany koa hoy izy dia ny tsy ny hoe hitsirihana fotsiny ireo vola fa ny hameranana avy ireo ho eo an-tanan’ny fanjakana mba hamerenana azy ho an’ny mponina Raha ny tatitra nataon’ny SAMIFIN ny faran’ny taona 2020 teo dia efa tsara mihoatra ny tany aloha, satria nahatsirihana vola maloto mitentina 580 lavitrisa ariary mahery. Mbola mihoatra an’izany anefa no tokony ho tratra hoy ny tale jeneraly ankehitriny. Ary ny tena tanjona ilaina dia ny hamoaka porofo hamerenana ireo vola maloto hiverina amin’ny fanjakana. Vokatra betsaka kokoa mitaky asa mafy kokoa.
Hanatsara ny fanaraha-maso sy fanangonam-baovao momba Ireo vola maloto ihany kao ny fidiran’ny SAMIFIN anatin’ny rafitra iraisam-pirenena EGMONT ahitana ireo sampan-draharaha an’ireo firenena vahiny miady amin’ny famotsiam-bola. Saingy mbola misy ny ezaka sy rafitra takian’ny GAFI na groupe d’action financière vao ho tafiditra amin’izany ny SAMIFIN, toa ny didim-panjakana hampihatra ireo lalana efa misy momba ny famerenana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalana sy ny rafitra hamerina izany. Saingy kosa tsy voatery hiandry izany na hiandry rafi-panjakana ny rehetra fa tokony hiaraka sahy hitoroka ireo ahiana ho mpamotsy vola satria vola tokony ho an’ny vahoaka ireny.
Nanao fianihanana tetsy amin’ny Lapan'ny Fitsarana an-tampony tetsy Anosy ny 28 aprily ity tale jeneralin’ny SAMIFIN vaovao ity
Judicaël RANDRIANIRINA