Araka ny fampahafantarana navoakan'ny « Aviation civile de Madagascar » na ACM ny 14 Desambra, afaka manao famandrihana mivantana eny anivon’ireo kaompania an-habakabaka mifandray amin’i Madagasikara ireo malagasy manana pasipaoro manankery na teratany vahiny manana "carte de résident" maniry hiditra eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Ireo vahiny maniry ho aty amintsika kosa dia mivantana any Nosy-Be raha toa ka fizahan-tany no antondiany ary tsy mahazo mivoaka an'i Nosy-Be.

Mila manao fangatahana eny amin'ny ministeran'ny Raharaham-bahiny kosa ireo ONG, na diplomaty hanatanteraka iraka eto Madagasikara.

Eny amin’ny ministeran'ny Asa sy eny amin'ny ministeran'ny Varotra, ny Indostria ary ny Asa tanana kosa no manao fangatahana ireo mpampiasa vola vahiny manana fahazoan-dalana hiasa eto Madagasikara.

Tsy mila fahazoan-dalana kosa anefa ny fivoahana an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny fitaterana an-habakabaka saingy miankina amin'ny fisian'ny sidina izany. 

Marihina fa ho an'ny sidina mihazo an'Antananarivo dia sidina manokana an'ny Air Madagascar sy Air France avokoa no miasa. Air Austral, Ewa Air ary Ethiopian Airlines kosa no mampitohy amin’i Nosy-Be

Miarivola Tsiferana