Nahazo fanampiana 20 tapitr'isa eorô, na 91 miliara ariary ireo tantsaha malagasy misehatra amin'ny famokarana tantanam-pianakaviana. Tsy vola  honerana akory io volabe io fa fanomezana izay niraisan'ny fitondram-panjakana malagasy sy ny vondrona eorôpeana.

Ho fitantanana amin'ny fomba mangarahara sy mba tena hipaka mivantana eny amin'ny tontolo ambanivohitra ny vola, natsangana ny tetik'asa FANDROSO ary ny FDA na ny « fonds de développement agricole » izay mahalala tsara ny ifotony sy efa za-draharaha amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo vondron-tantsaha sy mpisehatra maro samy hafa no hisahana ny tetik'asa amin'ny fomba malalaka. Ho avondrona anatin’ny tetik’asa FANDROSO ny tetibola, ary eo no hipaka mivantana amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny famatsiana ireo tetik’asan’ny tantsaha.

Hamatsy tetik’asa 4 000

Araka ny vinavina , tetik’asa maherin’ny 4 000 no ho voavatsy vola, ary famokarana tantanam-pianakaviana maherin’ny 250 000 ho voakasika mivantana anatin’ny FANDROSO . Tanjona ny ho 50 isan-jato ny vehivavy ary 40 isan-jato ireo tanora hisitraka ny tetik’asa raha ny fanazavan’ny minisitry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono Lucien Ranarivelo. Porofo mitohoka amin’ny tenda amin’izao fahazoana tetibola izao ihany koa raha ny fanazavana ihany ny fahatokisan’ireo mpiray ombin’antoka vahiny ny fitantanana misy ankehitriny. Amin’ny fomba mangarahara tanteraka, ary hanaovana tatitra tahaka ny mahazatra ny fitondrana amin’izao fotoana ny fampiasana ny vola raha fanazavana hatrany. Ny 3 novambra, tetsy amin’ny Carlton Anosy no nampafantarina sy natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa FANDROSO.