Hitombo ny fandaniana ho an'ny taona 2020 raha ny endriky ny volavolan-dalàna nasiam-panitsiana hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Hitombo tsy tahaka ny teo aloha ny famatsiam-bola ho an'ny seha-pamokarana, ny fampianarana ary ny fahasalamam-bahoaka.

Tahak'izay no ho endrika vaovao nitondran'ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola , Richard Andriamandranto fanazavana rehefa notsatohin'ny mpanao gazety momba ny LFI ny 4 novambra.  Nampiany ihany koa fa : "niakatra ny kitapom-bola ho ampiasaintsika amin’ny taona 2021". Ny famorian-ketra no petrak’olana, akon’ny valan’aretina Coronavirus maneran-tany. Na izany na tsy izany, efa tafapetraka anatin’io volavola tetibola io ny fandaminana hampisandratra hatrany ny toekarem-pirenena. Manarak'izay, ny polikam-pitsinjaram-pahefana no isan’ny fanovana goavana hita anatin’ny volavolan-tetibola ho an’ny taona 2021 raha ny fanazavan’ny minisitry tompon’andraikitry ny tetibola hatrany.

 

Hipaka mivantana amin’ny vahoaka

 

Hipetraka ary ho porofoin’io volavolan-tetibola io arak’izany ny fampandrosoana ifotony, tsy mitanila ary hipaka mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Endriky ny volavolan-tetibola ihany ireny fanazavana nentin’ny minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola ireny. Tsy maintsy mbola hisy ny fanazavana misimisy kokoa ho etiny arahin’ireo sora-bola amin’ny fotoana maha mety azy. Hita soritra kosa raha ny vaovao ampelatanana fa ho voatazona ny tanjona napetraky ny filohan’ny repoblika, dia ny hametraka hatrany an’I Madagasikara ho firenena misandratra na teo ary ny krisy ara-pahasalamana iraisam-pirenena. Marihina, efa lany nandritra ny filankevitry ny minisitra ny zoma lasa teo ny volavola-dalàna mifehy ny tetibola ho an’ny taona 2021, ary natolotra any amin’ny antenimieram-pirenena ho dinihin’izy ireo.