Nanatrika ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Governemanta Malagasy sy ny tahirim-bolam-panjakana Frantsay momba ny tetik'asa Mandraka 3 sy ny Tetik'asa TPC (transport par câble-téléphérique) ny tenako ny maraina teo.
Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Vola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ny Ministre délégué auprès du Ministre de l'Europe et des Affaires Etrangères Frantsay Franck Riester no nanatontosa ny fifianaovan-tsonia.
Zotra roa no hisy ny TPC dia ny:
- zotra mavo: Anosy - Andohalo - Ambanidia - Ankatso
- zotra volomboasary: Anosy - Ambohijatovo - Analakely Soarano - Antanimena - Ankorondrano -İvandry - Ambatobe.