Mampikambana ny fiangonana rehetra maneran-tany ho iray ny Papa ray Masina.
Ny papa ray Masina no atao hoe dimbin’i Masindahy Piera Apostoly, raha eo amin’ny finoana katolika. Ny papa ihany koa no evekan’ny diosezin’I Roma no sady filoham-panjakana ao Roma renivohitr’Italia. Izy no mifehy ny fiangonana katolika manerana izao tontolo izao. Izy no tompon’antoka amin’ny fampiraisana ny fiangonana maneran-tany ho iray. Ny Ray Masina ihany koa no filohan’ny fivondronamben’ny eveka maneran-tany. Amin’ny maha filohan’ny fanjakana ao Vatican azy, mandidy ireo “vicaire” romana ambanin’ny fahefany izy mba hahatanteraka ny fahafenon’ny fahefany. Ireo “vicaire” romana ireo no antsoina hoe minisitra any amin’ny tany hafa ary ireo “vicaire” ireo no mandrafitra ny governemanta, arty “dicastère” ny anaran’ny ministera ao amin’io fanjakana io. Mavo sy fotsy ny lokon’ny sain’i Vatican na ilay antsoina hoe “drapeaux papale” izany. Ny fitondrana ao Vatican dia fitondrana “monarchie” izany hoe fahefana ifandimbiasana.
I Vatican izay isan’ny fanjakana kely indrindra noho izy manana velarantany 0,44 km toradroa. Teo amin’ny taona telopolo hatramin’ny telo amby telopolo no niforonan’ny papa ray masina voalohany, ka papa voalohany tamin’izany I Masindahy Piera Apostoly. Marihina fa ny fitsidihina ataon’ny papa fransoa eto Madagasikara no antsoina hoe fitsidihina Apostolika izay ho tanterahina ny 6 hatramin’ny 8 septambra ho avy izao.
Setra RANDRIANASY
Andoniaina Martinà