Ny Paska dia midika ho fitsanganana amin'ny maty, fihavaozana sy fanantenana ary fidirana amin'ny fiainam-baovao. Koa ny hazavan'i Kristy nitsangan-ko velona anie hanilo sy hanenika antsika tsirairay avy; hitarika antsika hiroso hatrany amin'ny adidy amin'ny mpiara-belona sy ny Tanindrazana ka hanarina ity nosy malalantsika ity.
Tsaroako manokana androany ireo mpiray Tanindrazana mbola miatrika ny aretina, ireo nandalo sedra mafy, rava fananana, noho ny rivodoza. Aoka isika hiombom-bavaka ho azy ireo, hampitraka azy ireo sy hitondra fanantenana toa an'i Kristy nandresy ny fahafatesana.
Mirary Paska sambatra ho antsika rehetra!