hoy i Mialy RAJOELINA vadiko omaly nandritra ny nitsidihanay niaraka tamin’ny Filohan'ny Fondation Mérieux, Alain Mérieux sy Ramatoa vadiny, ny orinasa NUTRISUD tao Tolagnaro omaly.
Efa azo tsapain-tanana ny fahombiazan’izany fiaraha-mientana izany. Satria dia mpianatra 9697 no efa misitraka ny Kapik’Nakà vokarin’ny orinasa isan’andro. Izy ireo dia efa nisitraka ihany koa fizarana sakafo maimaim-poana, isanandro avy amin’ny Fikambanana FITIA. Manomboka amin’ny volana ambony kosa dia ankizy 5 hatramin’ny 13 taona miisa 120 000 isan-taona no hisitraka maimaim-poana ny Kapik’nakà, hatao sakafo maraina.
Mitohy hatrany ny fiaraha-mientana ka ho avy hanatevin-daharana ny Fikambanana FITIA sy ny Fondation Mérieux ary ny vondrona NUTRISET ny « Principauté de Monaco » . Mankasitraka azy ireo amin’ny fitiavana asehony ho fanampiana ireo havantsika any atsimo.