Tsy havelantsika ho raraka an-tany ny ràn'ireo Maritiora nahafoy ny ainy niady hoan'ny Tanindrazana. Tsiahivintsika androany izany ka eto amin'ity toerana mitahiry ny tantaran'ny Firenena eto amin'ny Mausolée, Avaratr'Ambohitsaina ity no nanombohantsika ny fankalazana ny fahatsiarovana ny tolom-panafahan'ny 29 martsa 1947.

Omentsika voninahitra ireo rehetra nijoro ho an’ny Tanindrazana. Tsy nilavo lefona fa nanao sorona ny ainy ho an'ny fahafahana . Mankasitraka ny tolona nataony sy ny fanoloran-tenan’izy ireo ny Firenena. Noporofoin’ireo maherifo ireo fa tsy misy mahatohitra ny firaisankina, ny firaisam-po sy ny firaisan-tsaina.

75 taona aty aoriana, mipetraka ho lovantsika ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisankina.