Izao fanendrena azy izao dia inoako fa hanamafy orina ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Manana fifandraisana ara-tantara sy ara-pirahalahiana mafy orina rahateo i Algérie sy Madagasikara. Koa fotoana izao hampiroborobona izany mba hitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka Malagasy. Hohamafisina araka izany ny fifandraisana ara-barotra, sy ny fifanakalozana traikefa amin'ny lafiny teknolojia, ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny jono sy ny akoranafo.