Masoivohon’i Etazonia eo anivon’ireo sampandraharahan’ny Firenena Mikambana miisa telo ao Roma ireo dia ny FAO, ny PAM ary ny FIDA

Anisan’izany ny fanamafisana ny fanohanana ireo hetsika amin'ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo izay laharam-pahamehana ho an'ny Fitondram-panjakana Malagasy.

Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny fanamafisana ny fanampiana ny Fitondram-panjakana amin'ireo asa hampandrosoana ny sehatry ny fambolena.