Niverina nitohy androany ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo teto Analamanga. Tokantrano 3000 mahery avy hatrany no nisitraka izany ka ny 1498 dia tokantrano sahirana avy ao amin'ny boriborintany faha-VI. Avy ao amin'ny fokontany Andraharo, Ambodivonkely, Anosivavaka, Amorona, Anosisoa, Ambohimitsinjo ary Antanety Avaratra izy ireo.

Tao amin'ny boriborintany faha-IV kosa dia nahatratra 1643 ireo tokantrano nahazo ireo fanampiana nahitana:

- Vary 25 kg

-  Voamaina 3kg

- Menaka 1l

- CVO

- Ronono mandry, savony, koba aina, sıra vovony ary sardines.