Hotolarana TOSIKA FAMENO sy VATSY TSINJO avokoa izy ireo. Raha ny teto Anosibe An’Ala manokana dia omentsika fanampiana ireo Mpampianatra FRAM miisa 54

Ho fitsinjovana ny tanora kosa dia am-pitiavana no anolorako baolina kitra sy « maillots » ho azy ireo ary nanome toromarika ireo tompon'andraikitra ny tenako mba hanajariana haingana ny kianja fanaovana fanatanjahantena mba hanara-penitra ka hisitrahan’izy ireo kianja mendrika.

Farany dia omentsika fitaovana manarapenitra sy maoderina na « appareil de radiologie numérique » ny sampana « Radiologie » eto amin’ny « Centre Hospitalier du district d'Anosibe An'Ala" satria sady efa antitra ireo fitaovana no tsy mandeha intsony nanomboka tamin’ny taona 2018.