Ao ireo rava trano fonenana ka lasa traboina, ao ihany koa ireo simba tanimboly sy namoy biby fiompy, tsy adino ireo potika fananana nohariana taona maro. Toy ny tanana havia sy havanana isika, ka izay maharary anareo, tsapako ihany koa.

Mankahery manokana anareo any amin’ny Faritra ATSINANANA, FITOVINANY, VATOVAVY, ATSIMO ATSINANANA, AMORON’I MANIA , MATSIATRA AMBONY, ANOSY ary ny faritra SOFIA izay tena misedra ny mafy tokoa amin’izao fotoana izao. Miaraka miatrika izao fahavoazana izao isika ary hifanohana sy hifanome tanana amin’ny fanarenana.