Nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena notarihin-dRamatoa Idah Z.Pswarayi-Riddihough, Talen’ny Fandraharahana eo anivon’izany rafitra izany.

Tetikasa maro no nahazoana fanampiana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena mba ho fanohanana ny fampandrosoana an’i Madagasikara indrindra nandritra ny fiatrehana ny valanaretina COVID-19 teto amin’ny firenena. Tsy mijanona hatreo anefa izany fa mbola vonona hatrany ity rafitra ity hanatsara sy hanafaingana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mba hahafahana mitondra fampandrosoana haingana amin’ny sehatra maro. Anisan'izany ny fametrahana fotodrafitrasa, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fiahiana ny mponina, ny fitaterana, ny fambolena , ary ny mahakasika manokana ny fiarenan-dohan'ny faritra Atsimon’ny Nosy.

Ankoatra izay dia noresahana nandritra izao fihaonana izao ihany koa ireo mety ho lalam-piaraha-miasa ho amin'ity taona 2022 toy ny fanohanana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana eo amin'ny lafiny tontolo iainana sy ny fandrakofana ala indray an'i Madagasikara sy ny fanatanterahana ireo fifanarahana nandritra ny COP26.