Mandray anjara amin’izany eo anilan’ireo firenen-kafa soloin’ireo filoha sy mpitondra fanjakana miisa 60 tena i Madagasikara.
Taorian’ny lanonam-panokafana dia nandray anjara tamin’ny adihevitra mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny fahasimban'ny tontolo iainana ny delegasiona malagasy. Anisan’ny laharam-pahamehana amin'ireo Velirano nataoko ireo sehatra ireo.
Isan’ny noresahana tamin’izany ny sehatry ny angovo, indrindra ny firosoana amin'ny fampiasana ny angovo azo havaozina na « énergie renouvelable », ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny sehatry ny fitaterana.