Teto an-drenivohitra, ho an’ny Boriborintany FAHAROA dia tokantrano miisa 1170 avy amin’ny fokontany MAHAZOARIVO sy AMBATOROKA no nisitraka ny fanampiana VATSY TSINJO.
Ny tao amin’ny boriborintany FAHAEFATRA indray dia tokantrano miisa 1547 avy amin’ny fokontany AMPEFILOHA AMBODIRANO no nahazo izany androany.
Nitohy androany 21 febroary ihany koa ny fizarana VATSY TSINJO ho an'ny:
-FARITRA VATOVAVY : DISTRIKAN'IFANADIANA
-sy ny FARITRA MATSIATRA AMBONY : DISTRIKAN'I LALANGINA sy AMBOHIMAHASOA
Tao amin'ny Distrikan'IFANADIANA dia nisitraka izany ireo mponina tao amin'ny Fokontanin'i Sahafotorika, Ambodirafia, Maromena, Fenoarivo I ary Ambodiara izay nahazo Vatsy Tsinjo ahitana Vary 25kg sy fonosana feno entana ilaina andavanandro.
Tao amin'ny Distrikan'i Lalangina dia tokantrano traboina avy ao amin'ny kaominina Lalangina, Ambalakely ary Androy Vohiparara no nozaraina izany.
Ary ho an'ny Distrikan’Ambohimahasoa dia fokontany miisa 9 no nisitraka izany dia ny Fokontanin'Atalata, Ambomanatrika, Ankiboka, Andondona, Avaratsena, Bemasoandro, Ampanidinana, Ampeviahitra ary Antohabe.
Mila mifampitsinjo hatrany isika ao anatin’ny sarotra.