Anisan’izany ny fihaonana tamin’i Jutta Urpilainen, « Commissaire européenne aux Partenariats internationaux » izay notanterahina tao amin’ny " Siège de la Commission Berlaymont au Rond-Point Schuman".

Teo ihany koa ny fihaonana manokana tamin’ny Filohan’ny " Banque Européenne d’Investissements " (BEI) Atoa Werner Hoyer. Ny BEI Izay efa mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara nanomboka ny taona 1970, ary miasa amin'ny sehatra maro toy ny fanamboarana ireo lalana an-drenivohitra, ny fanarenana ny toho-drano sy ny fampidirana rano fisotro madio ary ny sehatry ny fitaterana.