Hisy amin’ireo vary ireo no hozaraina maimaim-poana ao anatin’ny Vatsy Tsinjo. Hisy ihany koa ireo amidy 500 Ar/kapoaka na 1750 Ar/kilao eny amin’ny mpaninjara tsotra, ary farany, hisy ny amidy 1000 Ar/kg eny amin’ ny tsena mora in-2 isan-kerinandro.

Ho tonga any an-toerana amin’izao hariva izao any Nosy Varika, izay lasa mitoka-monina tanteraka ireo vary rehetra ireo. Sady tsy tongana fiara no tsy afaka hipetrahana fiaramanidina ihany koa mantsy hatreto any an-toerana.

Manamafy ny tokony hanafainganantsika ny fanatanterahana ireo tetikasam-pitaterana samihafa izao zava-mitranga izao ary mandrisika antsika hijery lavitra. Mila irosoana arak’izany ny fametrahana lalambe migodana na « autoroute» (Antananarivo -Toamasina), ny fanalalahana ny lakandranon’i Pangalana, ny fanavaozana sy fanarenana ireo lalamby tapaka

Tsy maintsy atao izay fomba rehetra hamatsiana ireo toerana lasa mitoka-monina tanteraka (dokotera, fanafody, sakafo, tafotrano, fitaovana rehetra hanarenana ny zavatra simba). Isan’izany Ikongo izay nahitana fonja rava. Hisy arak’izany angidimby mahazaka entana mavesatra hanatitra ireo entana samihafa ireo.