Ho avy hankahery sy hanampy ireo Mpiray Tanindrazana traboina sy voa mafy ary very fananana. Hiara-hijery amin’ireo tompon’andraikitra maro any an-toerana ihany koa izay hanarenana ireo fotodrafitrasa maro izay simba sy rava.

Nohon’ny tsy fahatomombanan’ny seranana (piste d’aviation) dia tsy afaka ny hipetraka ao Nosy Varika izahay saingy tsy manadino ireo mponina any an- toerana izay handefasana izao maraina izao ihany fanampiana VATSY TSINJO sy VARY MORA avy eo Mahanoro.

Miara-miatrika ny fahasahiranana isika fa tsy mifanadino na mifanary.Mifampahery sy mifanome-tanana satria mbola marobe ireo asa fanarenana ary goavana ireo asa fampandrosoana mbola miandry antsika. Manantena ny fandraisantsika andraikitra ny tsirairay .