Henoko sy noraisiko ny fitarainan’izy ireo mikasika ny tsy fahampian’ny tranon’ny mpianatra eto amin’ny oniversite.

Hovahana avy hatrany izany olana izany ka hampitomboina ireo fotodrafitrasa afaka handraisana sy honenan’izy ireo eto Andrainjato.

Hojerena miaraka amin'ireo tompon’andraikitra ihany koa ny hanatsarana ny rafitra sy ny kalitaon'ny fampianarana. Ary hohafainganina ny « digitalisation » hahazoan’izy ireo ny karatra fakana ny vatsim-pianarana.

Ho fankasitrahana manokana ny fahendrena sy ny firaisankinan’izy Ireo dia hahazo « prime spécial » ireo mpianatra rehetra.