Koa rehefa tonga teto Vohibato izahay dia nahafinaritra ahy ny nihaino sy nitafa tamin’ireo olona tena voakasika, no sady nampalahelo ahy indrindra indrindra ny nahita maso izao voina izao.
Noho izany dia tsy maintsy manatsara ny fomba fiasa isika. Sarobidy loatra mantsy ny hoavin’ireto zaza Malagasy zanatsika ireto. Koa hapetraka avy hatrany ny rindran-damina hahafahan’ireo mpianatra eto Vohibato ireto manohy ny fianarany. Hanangana EPP manara-penitra mifanila amin’ny EPP taloha eto isika. Satria efa antitra loatra, efa 120 taona ity EPP eto Talata Ampano ity.
Ho raisina ho mpiasam-panjakana avokoa ihany koa ireo mpampianatra eto amin’ny EPP Talata Ampano.