rehefa nomena ireo tompon’andraikitra ny toromarika amin’ny tsy maintsy hanokafana haingana ny lalana. Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana ankehitriny.
Asa haingana toa izany no takiana amin’ireo minisitra rehetra ho fanarenana izay rehetra ilain’ny vahoaka. Tsy fotoana fipetrapetrahana izao fotoan-tsarotra izao.
Isan’ireo fotodrafitrasa tsy maintsy amboarina haingana ny tetezana Andrianantara izay mirefy 110 eto Talata Ampano. Efa ny 75% tamin'ny asa fanamboarana no vita saingy niato noho ny andro ratsy Ana izany ary simban’ny rivodoza Batsirai farany teo. Ny fahavitan’ity ity tetezana ity dia hahafahan’ny Vary Mora izay ho vidiana 1000ar ny kilao ho tonga eto amin’ny kaomina Talata Ampano sy hanokatra ny lalana amin'ny fananganana ireo fotodrafitrasa haorintsika eto toy ny EPP manarapenitra, ny "bloc sanitaire", ary biraom-panjakana.