Efa vonona ao an-toerana avokoa ny fitaovana rehetra hanamboarana izany, ary vantany vao midina ny rano dia hanomboka avy hatrany ny asa.
Haharitra telo volana ny asa fanamboarana ity tetezana mirefy 152m ity. Nanome baiko kosa ny Filoha ny hanafainganana ny fanatanterahana izany. Tamin'ny taona 2011 moa no simba ity tetezan'i Manakara Be ity, ary izao vao nisy fanarenena izao indray.