Nozaraina vatsy tsinjo ahitana vary iray gony sy PPN ireo fianakaviana traboina mba hanampy azy ireo hiarina sy hiatrika ny zava-misy any an-toerana ankehitriny. Afaka jifaina any an-toerana tsy ho ela ihany koa ny vary mora izay amidy amin'ny vidiny 1000 Ar ny kilao. Nisy ihany koa tafo tôle miisa 753 nozaraina, entina hanamboarana ireo trano rava.

Zava-dehibe ihany koa ny fijerena akaiky ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fotoana tahak’izao ka hapetraka eny an-toerana mandritra ny herinandro maromaro ny “clinique mobile” izay hanome fitsaboana maimaim-poana ho an'ny mponina.

Hojeran'ny fitondram-panjakana akaiky hoy ny Filoha ny hanarenana haingana ireo fotodrafitrasa izay ravan’ny rivodoza. Ilaina hoy izy ny manorina fotodrafitrasa manarapenitra mba hahafahana miatrika ny fotoana tahaka izao, ary indrindra mba handraisana ny traboina raha toa ka ilaina izany. Noho izany, hatsangana ao Farafangana ny gymnase, ireo biraom-panjakana, ny toeram-pitsaboana sy sekoly manarapenitra samihafa.

Ankoatra izay dia fianakaviana traboina miisa 306 no nozaraina sakafo masaka izay nokarakarain'ny Fikambanana Fitia tarihin-dRamatoa Mialy RAJOELINA. Notolorana 100.000 Ar isa-pianakaviana ihany koa izy ireo ho entiny miatrika izao voina izao ankoatra ny Vatsy Tsinjo.