Anisan'ireo nitondra takaitra taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai ny EPP Anivorano Farafangana izay notsidihan’ny Filoham-pirenena sy Ramatoa vadiny. Efa antitra rahateo ity EPP ity satria efa tamin'ny taona 1958 no niorina. Mendrika fotodrafitrasa tsara sady mafy orina ny zanaka Malagasy hoy ny Filoha Andry RAJOELINA ka nanome baiko avy hatrany ny tenany ny hanamboarana EPP vaovao ahitana efitrano fianarana miisa enina sy birao ho an'ny tale.
Mba hahafahan’ireo ankizy manohy ny fianarany anefa dia amboarina ny tafon'ity EPP Anivorano ity ary hahazo “kits scolaires” ihany koa ny mpianatra ao an-toerana.