Tonga tao Fianarantsoa ny Filoham-pirenena sy Ramatoa vadiny rehefa avy any Farafangana. Manohy ny diany izy ireo ho fijerena sy fiahiana ireo tokantrano traboina noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai. Notsidihan’izy ireo voalohany ny Lycée Raherivelo Ramamonjy, izay nitondra takaitra tokoa noho ny rivodoza.

Tsy maintsy hamboarina sy havaozina tanteraka ity sekoly manan-tantara ity, ho sekoly modely ao Fianarantsoa hoy ny Filoha. Fanorenana mateza sy maharitra no tokony hatsangana hoy hatrany izy. Homena dabilio manara-penitra sy fampitaovana samihafa ary solosaina miisa 20 ihany koa ny Lycée Raherivelo Ramamonjy