Tonga nijery ifotony ny manjo ireo mponina ety Andohatapenaka aho satria fantatro fa isan’ireo tena voa mafy noho ny fiakaran’ny rano ity fokontany ity. Amin’ny fotoan-tsarotra toa izao dia tsy maintsy atao avokoa izay zavatra rehetra hamonjena ny mponina traboina.

Napetraka eto ny toerana handray ireo mponina dibo-drano. Fianakaviana an-jantony maro no efa raisina eto ary omena sakafo sy mahazo fitsaboana maimaim-poana. Nanome baiko ihany koa ny tenako ny hanokafana ny EPP mba hahafahana mandray ireo tra-boina hafa mbola tsy manan-kialofana. Ho avy amin’ny herinandro izao ny fanampiana hafa avy amin’ny fanjakana ho an’ireo tra-pahasahiranana noho izao voina mihatra izao koa mila manana ireo karinem-pokontany vaovao ireo tokantrano mba hampirindra ny fitsinjarana izany.

Nojerena ihany koa ny fomba hanalana haingana ireo rano. Mifarimbona amin’izany NY BNGRC sy ireo mpitandro filaminana.

Tsy mifanary isika fa mifanohana hatrany amin’ny andro sarotra.