Tonga nankahery ireo mponina rava fananana sy dibo-drano ny toeram-ponenany mitoby eto amin’ny Gymnase couvert Ankorondrano ihany koa ny tenako. Tsy mandao azy ireo ny fanjakana, omena sakafo, fitsaboana sy fanafody ary fialofana eto izy ireo.
Ho zaraina bodofotsy sy kidoro ary hahazo tosika fameno sy Vary Tsinjo izy ireo rehefa miala eto. Ho loha-laharana amin’ny fahazoana izany ireo izay efa manana ny karinem-pokontany manara-penitra.
Tsy maintsy hikarohana sy hametrahantsika vahaolana maharitra ihany koa ny fiakaran’ny rano ety amin’ny faritra iva.