Toy ny isan-taona dia nanamarika izany tamin'ny fiarahana tamin'ireo miaramnila eto amin'ny rezimantan'ny vondrona mpiambina ny fiadidian'ny Repoblika ny tenako.
Koa niaraka nihazakazaka sy nanao fanatanjahantena izahay. Fotoana mahafinaritra ahy manokana satria natao tao anatin'ny firahalahiana izany.
Amin'izao fiantombohan'ny taona izao dia nametraka hafatra aho ho an'ny manamboninahitry ny tafika Malagasy rehetra manerana ny Nosy amin'ny ny maha-zava dehibe ny fampisehoana firaisan-kina sy ny fenetren-tena eo anivon'ny tafika.
Izy ireo mantsy no tandroka aron'ny vozona sy kitro ifaharan’ny fiandrianam-pirenena.
Miaro ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana noho izany. Izy ireo no tokony ho modely sy fitaratra amin'ny fitondran-tena, ny fahitsiana, ny fandavan-tena ary ny fanompoana Tanindrazana.
Nanainga azy ireo aho ny hitandro lalandava ny hasin’ny andraikitra sy ny adidy masina nankinin’ny firenena tamin'izy ireo.