Samy mikendry ny hahasoa ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fitondram-panjakana sy ny fiangonana. Nanamafy izany tanjona iraisana izany ny fifampiarahabana teo amin’ireo lehibena fiangonana efatra anatin’ny FFKM sy izahay mivady noho izao tonontaona vaovao izao.
Mifampiresaka sy mifanome tanana ny fiangonana sy ny fitondrana indrindra amin’izao valan’aretina atrehantsika izao. Ary nohamafisin’izy ireo teto ny maha-zavadehibe ny fitondrana am-bavaka ny firenena.