Taonan’ny fanatanterahana ireo vina rehetra ho amin’ny fampandrosoana ity 2022 ity. Niatrika avy hatrany ny filankevitry ny minisitra voalohany ho an’ity taona ity Ireo mpikamban’ny governemanta taorian’ny fifampiarahabana tratry ny taona teto Iavoloha.
Governemanta miasa haingana sy miasa tsara ary miray hina no filamatra ankehitriny, tsy misy andrasoandraso.