Vita Sonia niaraka tamin’ny filoha tale jeneralin’ny vondrona Meridiam, Thierry Déau, androany, ny fifanarahana amin’ny fitantanana ny seranam-piaramanidina etsy Ivato. Ity fifanarahana nohavaozina ity, izay mitsinjo ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina mba ho samy ahitan’ny roa tonta tombony dia ahazoan’ny firenena Malagasy tombony kokoa raha miohatra amin’ny teo aloha:
- Nampitomboana ny « redevance fixe » izay hahatratra 138 tapitrisa euros, miampy ireo haba hafa ka hampiditra hatramin’ny 400 tapitrisa euros anaty kitapom-bolam-panjakana.
- Nahena 50% ny « redevance de stationnement » ho an’ireo fiaramanidin’ny Air Madagascar rehetra
- Nametrahana solontenam-panjakanaa miisa roa anatin’ny filankevim-pitantanan’ny seranam-piaramanidina.
- Taorian’ny fandresen-dahatra nataon'ny Fitondram-panjakana dia nahena ihany koa ny Redevance de Développement des Infrastructures Aéroportuaires na RDIA izay misy fiantraikany ihany koa amin'ny fidinan’ny vidin'ny tapakila.
Mankasitraka ny vondrona Meridiam. Dingana lehibe ho an’i Madagasikara, ho an'ny vahoaka Malagasy ary hanamora ny fiavian’ireo mpizahatany maniry hitsidika ny Nosintsika izao vita izao.
Ny tombontsoan'ny Firenena Malagasy no mibaiko ahy ka tsy maintsy nitady ny marimaritra iraisana isika mba hahafahana mandroso. Hitondra ny tena fampandrosoana marina hoan'i Madagasikara indrindra amin'ny sehatry ny fizahan-tany.