Velirano natao tamin'ny vahoaka Malagasy ny hanome fahasalamana tsara kalitao hoan'ny rehetra sy ny hanamorana ny fahazoan'ny tsirairay misitraka ny zo fototra dia ny fahafahana mahazo fitsaboana rehefa tojo ny tsy fahasalamana. Araka izany dia nohatsaraina, nohavaozina ary nitarina ny sampana Vonjy Aina eto amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha. Nohalebiazina ny toerana fandraisana ireo marary ary nampiana ny isan'ny fandriana mba ho afaka mandray marary avo roa heny raha mitaha amin'ny teo aloha. Tsy hivezivezy intsony ireo marary fa izay manatona ny sampana vonjy aina indrindra ireo mila fandraisana an-tanana maika dia raisina avy hatrany. Ao anatin'ny telo minitra dia fantatra ny tahan'ny fahavoazana ary maimaim-poana ny fitsaboana voalohany eto amin'ny sampana vonjy aina ny CHUJRA.

Nomena fitaovana arifomba isan-karazany ihany koa ny Salle de rééducation eo anivon'ny Centre d’Appareillage de Madagascar ao Befelatanana. Manomboka izao dia afaka atao tsara eny anivon’ny hopitalim-panjakana ny fampianarana manetsika indray ireo ratsambatan’ny olona tsy afaka manao izany noho ny antony maro toa ireo voina ara-batana sy ireo paralysés noho ny fahatapahan’ny lalan-drà, sns.

Midika izany fa miditra amina vanin’andro vaovao isika ary miroso hatrany amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana sy ny fanasoavana ny vahoaka Malagasy.