Amin’ny fo ravoravo no nahatongavanay mivady nanolotra sy nanokatra niaraka tamin’i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan’Antsirabe, ny fiangonana Ekar Notre Dame de Lourdes Miaramasoandro androany.

Tao anatin’ny finoana, tao anatin’ny fanantenana ary tao anatin’ny fitiavana no nanatanterahana niaraka tamin'ireo mpino teto ny fanorenana ity Eglizy ity. Toa ny fianakaviana iray isika niaraka nanorina, niaraka nanangana izao fotodrafitrasa lehibe izao. Ary ny firaisankina, ny fandraisana anjara sy fandraisana andraikitry ny tsirairay avy no ahavitantsika zavatra lehibe sy ahafahana mandeha lavitra.