Tanora miisa 59 no notolorako bokin-tany ho ana tany mirefy 1Ha avy, teto amin’ny fokontanin’Anosimboahangy, kaominina Andranomanelatra Antsirabe androany. Trano fonenana sy valan’omby miisa 17 no efa vita tanteraka ary natolotra ireo tanora misitraka izany ny fanalahidy. Omena ombivavy be ronono roa avy ihany koa izy ireo ary efa misy ny "forage" napetraka hitarihan-drano eto an-toerana.

Aorian’ny dimy taona nifanarahan’izy ireo tamin’ny fandaharanasam-pirenena Fihariana dia ho lasan’izy ireo tanteraka ny tany.

Mikasika ny olan’ny tany ao Antsoatany izay nampihemotra ny fahavitan’ny tetikasa ka nampitaraina ireo tanora dia baiko no nomeko hamahana izany sy hametrahana ireo fotodrafitrasa ao anatin’ny telo volana.