Rehefa avy nitsidika ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo dia nandray avy hatrany ny fandravonan-kevitry ny fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny sehatry ny fiompiana, notontosaina tao amin'ny CCI Ivato ny tenako. Fikaonan-doha nandraisan’ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny sehatry ny fiompiana: ny tantsaha, ireo mpandraharaha, ny Fitondram-panjakana ary ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola anjara.

Mihaino ireo mpiompy ny fitondram-panjakana ary vonona ny hanampy sy hiaraka hitady ny vahaolana manoloana ireo olana sedrain’izy ireo. Anisan’izany ny fanamorana ny fampidirana ireo fitaovana ilaina, ny fandrindrana ny eo amin'ny lafiny ara-dalàna, ny fametrahana ny fandriam-pahalemana, ny fiaravona sy fanaraha-maso ireo biby amin'ny alalan'ny teknolojia vaovao