Anatin’ny asa tanteraka isika ankehitriny. Atomboka androany ny fanajariana sy fandrakofana tara mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy i Mananara Avaratra izay nampiteny ny moana sy nampikaika ny mponina ny haratsiany teo aloha. Mizara roa ny tetikasa: tapany voalohany mirefy 75km avy eo Soanierana Ivongo hatrany Ivahibe, ny tapany faharoa mirefy 40km mandra-pahatonga any Mananara avaratra. Manaraka ny fenitra ny asa hatao, ary ahitana fanamboarana tetezana lehibe miisa 10 ka anisan'izany ny tetezana ao Soanierana Ivongo izay mirefy 320m.

Hanamora ny fivezivezen'ny ny olona sy ny vokatra amin'ity faritra ity zany lalana izany ary hisy fiantraikany lehibe amin'ny fampandrosoana any ifotony. Anatin’ny 18 volana no hamitana izany.

Efa vita ihany koa ny lalana rarivato eto an-tananan’i Soanierana Ivongo koa hafaliana ho ahy ny nitokana izany androany.