Miroso hatrany isika hanatanteraka ny Velirano faha-2 dia ny angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra. Ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa niarahana tamin’ny Consortium NEHO izay tontosa androany mba ho fanatanterahana ny tetik’asa Sahofika dia hidirana avy hatrany amin’ny fananganana ny Centrale hydroélectrique lehibe indrindra eto Madagasikara ka hamokatra angovo 192 MW afaka hitarina ho 300MW hamatsy ny RIA na ny tambazotra iraisana ho an’Antananarivo, Toamasina ary I Fianarantsoa. Hatanjaka lavitra noho i Andekaleka izay manana tanjaka 29MW x2, toby famokarana lehibe indrindra nisy teto hatramin’izao, i Sahofika.

Hampiroborobo ny famokarana angovo azo havaozina ka hialàna amin’ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny solika, izay sady lafo no manimba ny tontolo iainana ihany koa ny fahavitany. Hidina ny vidin’ny herinaratra jifain’ny Malagasy no sady hihena ny famoahana entona CO2.

Tsy maintsy tanteraka ireo vina rehetra ary mivadika ho asa ireo fanamby.