Mahomby ireo paikady napetrantsika nanomezana pack d’engin ireo faritra. Vita ny fanarenana ny lalana mampitohy ny Renivohitry ny distrikan’Antalaha mandalo ny Kaominina Antombana ary mipaka any amin’ny Kaominina Marofinaritra, taorian’ny asa fanarenana izay naharitra dimy volana latsaka kely.

Betsaka ny tombontsoa azo avy amin’ny fahavitan’ity lalana ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny fidinan’ny saran-dalan’ny taxi moto ho 10 000 ar raha 40 000 ar izany tamin’ny mbola ratsy ny lalana. Efa tonga any an-toerana ihany koa ny Bajaj sy ny Sprinter raha traktera sy camion double pont ihany no afaka niasa teo aloha noho ny faharatsian’ny lalana. Ary tsy mandany iray andro maninjitra hatramin’ny efatra andro intsony fa ora roa ihany dia hahavitana ny halavirana Antalaha – Antombana, amin’izao fahavitany izao.