Miverina misokatra indray ny eto « Analamanga Park ». Toerana efa nikatona no nohavaozina sy nohatsaraina indray araka ny tarigetrantsika hametraka fotodrafitrasa ilain’ny mponina. Ny toa izao dia toerana tena ilaina mba hialana voly, hakana rivotra, hialana sasatra mba hanovozana aina vao rehefa trotraky ny asa mafy ny mponina. Hampiditra vola ho an’ny faritra sy ny mponin’ny kaomina manodidina ihany koa.
Miarahaba ny faritra sy ny Governoran’Analamanga amin’izao fahavitan’ny asa fanavaozana izao. Mamporisika ireo Governoran'ny Faritra hafa ihany koa mba hanao asa tsara sy haingana hanasoavana ny vahoaka, hampandrosoana ireo faritra sy ny firenena manontolo.