Nanomboka androany ihany koa ny fizarana ireo karinem-pokontany vaovao izay misy famantarana manokana na "QR code" hahafahana manangona sy mandrakitra ny mikasika ny tokantrano tsirairay isam-pokontany. Hanamora bebe kokoa ny fanisàna ny mponina ny fampiasana ireto karinem-pokontany vaovao ireto, ary hanamora ihany koa ny fanomezana ireo taratasim-panjakana isan-karazany eny anivon'ireo fokontany izay ho vita eo no ho eo. Hanampy indrindra ihany koa amin’ny fizarana ireo fanampiana sosialy avy amin'ny Fitondram-panjakana, toy ny tosika fameno, vatsy tsinjo, sns.

Mitondra ny fivoarana ety ifotony isika koa ho apetraka ety amin’ny fokontany rehetra ihany koa ny HOTSPOT WIFI hahazoan’ny mponina internet maimaimpona ora iray isan’andro.