Tsy maintsy jerena ao anatin’izany anefa ny lafiny ara-pahasalamana sy ireo pitsopitsony ara-teknika. Nodinihana manokana nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny Minisitry ny Fitaterana, ny Minisitry ny Fizahantany ary ireo mpitantana eo anivon’ny Air Madagascar ihany koa ny momba ny fanarenana ity kaompaniam-pitaterana ity izay mibaby trosa mitentina 72 tapitrisa dolara ankehitriny. Trosa nobabena nandritra ny fiaraha-mitantana natao tamin'ny orinasa Air Austral. Anisan'ny anton'izany ny tsy fifehezana ireo fandaniana mifandraika amin'ny hofan'ireo fiaramanidina ATR izay avo roa heny raha mitaha amin'ny tokony ho izy. Eo ihany koa ny fandaniana eo amin'ny lafiny fitantana na "coût de gestion ».
Ny tanjona dia ny hametrahana eo anivon’ny Air Madagascar ny fahalavorarian'ny asa (excellence), ny fahamarinan-toerana (stabilité) sy fahamatorana eo amin'ny tolotra omena (fiabilité) ary ny fanajam-potoana (ponctualité). Ankoatra ny fitantana ara-bola dia mila jerena akaiky ihany koa ny "digitalisation" amin'ny fitantanana ny orinasa amin'ny ankapobeny sy ny fanjifana ireo tapakila.