Mpianatra miisa 600 no ho afaka hianatra eto amin’ity EPP Manarapenitra Mahamanina misy efitrano fianarana 12 ity. Mivoatra manaraka ny fandrosoana ny fampianarana omena ny zanaka malagasy ety anivon’ny sekolim-panjakana. Tsy latsa-danja amin’ny an’ny tsy mainkina ny kalitaon’ny fanabeazana omena azy ireo eto ary hatreny amin’ny « préscolaire » dia efa omena tontolo hampisokatra ny sainy sy ivelarany Ireo zanatsika.
Tsy ireo mpianatra irery no tsinjovina amin’ny ezaky ny fanjakana hanatsara ny sehatry ny fanabeazana fa ireo mpanabe Ihany koa. Mitohy hatrany ary hitombo ny fandraisana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana.