Vita tanteraka ny fonja manarapenitra eto Volamena, kaominina Ambalakely - Fianarantsoa izay fotodrafitrasa naorina mba ho toerana fanitsiana ireo meloka, ary hananan’izy ireo ny zo sy ny hasina maha-olona ka hahafahany hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina. Natolotra niaraka tamin’ny fonja vaovao ihany koa ny fiara ho fitaterana ireo voafonja.
Nandritra ny fotoana teto no nanehoan’ny ben’ny tananan’Ambalakely sy ny solombavambahoaka voafidy teto Lalangina ny hetahetan’ny vahoaka ety ifotony ka hotolorana CSB II manarapenitra ny Kaominina Ambalakely ary hahazo moto ireo ben’ny tanana 16 anatin’ny distrikan’i Lalangina hanatanterahan’izy ireo ny asany eny anivon’ny vahoaka.