Nafana sy tena naharavo ny fo ihany koa ny fandraisan’ny mponina teto Ambalavao. Fihaonana izay nanolorana azy ireo ny kianja nangatahan’ny tanora ka vita soa aman-tsara ankehitriny. Hampiray hina hatrany ny vahoakan’Ambalavao toa ny nampiraisan’ny baolina kitra ny fon’ny Malagasy iray manontolo anie ny fisian’izao fotodrafitrasa lehibe tafajoro eto izao!
Tsy mijanona hatreo ny fampandrosoana fa maro ireo asa mbola ho atao eto toa ny fanamboarana ireo lalana isaky ny Kaominina, ny fanamboarana tsena eto Ambalavao sy ny hampitomboana ny isan’ireo mpampianatra FRAM hampidirina ho mpiasam-panjakana.