İsan'ireo andry iankinan’ny hoavin’ny fianakaviana sy ny hoavin’ny firenena ny fandrindram-piterahana. Tsy maintsy atao laharam-pahamehana izany fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fanabeazana aizana izany raha tiana handroso ny firenena. Ao anatin’izany dia misy fomba amam-panao sy kolontsaina tsy maintsy ovana. Tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny intsony ny hoe miteraha fitolahy sy fitovavy. Mila omena fahalalahana hiteraka izay iriany ny vehivavy. Zon’izy ireo ny hisafidy ny hiteraka na tsia, sy ny hisafidy ny isan’ny zaza haterany. Mahasadaikatra ny Malagasy ny miresaka fanabeazana aizana amin’ireo zanaka. Mila ampianarina izy ireny eo anivon’ny ankohonana ny amin’izay tokony hataony sy izay zavatra tsy tokony hataony na lahy na vavy hisorohana ny vohoka aloha loatra, sy ny vohoka tsy niriana.
Ny tokantrano tsy afaka mizaka sy mamelona ny zanany dia tsy vesatra ho an’ny fianakaviana fotsiny fa vesatra ho an’ny firenena ary mitarika fahantrana lalina.
Koa handray andraikitra feno ny tenako, ary hametraka paik’ady matotra ny fitondram-panjakana ho fanatsarana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fanabeazana aizana. Noho izany indrindra dia apetraka manerana ireo hopitaly sy CSB manerana an'i Madagasikara ireo ivon-toerana manome torohevitra, hahitana ireo karazana fanabeazana aizana sy ireo fanentanana samihafa amin'ny fampiasana azy ireo.
Fandrindrana fiainam-pianakaviana, antoky ny fampandrosoana ny firenena!