Maka ny toerany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Nanamafy orina izany ireo fihaonana natao tany Frantsa sy Etazonia. Fihaonana izay nahafahana indrindra indrindra nampisongadina ireo ezaka natao sy ireo mbola hatao hoentina mampandroso ny firenena.

Fahombiazana tanteraka no azon’i Madagasikara tao anatina andro vitsivitsy monja:

- Fahavitan’ny fifanaovantsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny tahirim-bola frantsay sy ny governemanta Malagasy hametrahana ny zotram-pitaterana « télépheriques » roa eto Antananarivo Izay hanala fahasahiranana mponina miisa 40000 isan’andro.

- Fihaonana tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana Antonio Guterres izay nankasitraka ny fomba nentintsika niatrika ny valan'aretina Covid-19 sy nanamafy fa tsy ilaina ny fanakorontanana raha tiana handroso ny firenena ary tsy maintsy hajaina ny fifandimbiasam-pitondrana ara-fomba demokratika.

- Fihaonana tamin’ny Tale Jeneralin’ny FMI nahazoana famatsiam-bola tsy averina mitentina 332 tapitrisa dolara hoentina manatanteraka ireo tetikasam-pampandrosoana toa ny fotodrafitrasa sosialy, ny angovo azo havaozina, ny rano fisotro madio sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fanarenana ny tapany atsimon’ny Nosy. Famatsiambola izay voalohany no nahazoan’i Madagasikara ny toa izao hatramin’izay 58 taona naha-mpikambana azy tao anatin’ny FMI.

Resy lahatra amin’ny vinam-pampandrosoana entintsika ireo mpiaramiombon’antoka vahiny. Aoka isika tsy ho lany andro amin’ny tsikera tsy hampandroso sy amina adihevitra tokony tsy hisy akory. Mora ny mitsikera, mora kokoa ny tsy manao na inona inona. Saingy isika tsy naman’izay mihemotra, isika mila mandroso ary miasa hatrany. Laharampahamehana ho antsika ireo asa rehetra mitondra fandrosoana sy manatsara ny fiainan’ny mponina. Mikasika ny fiakaran’ny vidin’entana dia hanafatra sambo 20 hitondra PPN hamidy amin’ny vidiny mora isika.