Laharam-pahamehana napetraka ny fametrahana ny tany tan-dalàna sy ny fanajana ny zon'olombelona eto amin’ny firenena. Tafiditra tanteraka anatin’izany ny fanorenana ity fonja manaraka ny fenitra iraisam-pirenena eto Imerintsiatosika ity. Fanamby goavana sy dingana lehibe izany satria aman-taonany maro no tsy nisy nijery ny tontolon’ny fonja eto madagasikara.

Iarahantsika mahalala ny zava-misy iainana any anatin’ireny fonja ireny izay tsy nisy fanavaozana nandritra ny taona maro satria dia feno hipoka tanteraka ary tsy voahaja intsony ny zo maha olona. Mihoatra avo telo heny amin’ny tokony ho zakany ny fonja. Mahatratra 29000 ankehitriny ny isan'ny voafonja manerana ny Nosy raha toa ka 11000 no tokony ho zakan’ireo fonja misy eto. Fijaliana tanteraka ny iainan'ny voafonja ka nanapa-kevitra hitondra anjara masoandro ho an’ireo voafonja ny fitondram-panjakana hamerenana ny hasina sy zo maha olona azy ireo.

Hahazaka voafonja miisa hatramin'ny 800 ity fonja vaovao eto Imerintsiatosika ity. Natao hitazomana ireo olona nahavita heloka bevava sy ireo sokajiana ho mampidi-doza ho an'ny fiarahamonina. Ankoatra ireo trano fatorian'ireo voafonja dia misy trano fisakafoanana iombonana, efitra fidiovana sy fivoahana ary indrindra ny "parloirs" natokana hifampiresahan'ireo mpamangy ireo voafonja ny eto. Voaaro sy tsara ambina tanteraka ny faritra rehetra eto amin'ity fonja eto Imerintsiatosika ity ary misy ireo "cameras de surveillance" manara-maso ny anatiny sy ivelany mandritra ny fotoana rehetra izay mahatakatra hatramin’ny 4km manodidina.

Tsy ny eto ihany fa hohavaozina ihany koa ny fomba fitantanana sy fandraharahana eo anivon'ny fonja manerana an'i Madagasikara. Hampianarina sy hampiofanina amin'ny karazana asa amin'ny sehatra samihafa, toy ny fambolena, ireo voafonja.

Mijery lavitra isika, mitsinjo lavitra , mba tsy ho toerana fanasaziana fotsiny ny fonja fa ho toerana hanitsiana ireo diso lalana mba hahafahan'izy ireo miverina ho olom-banona eny anivon’ny fiaraha-monina.