Hanampy betsaka ny faritra Itasy ny fanatsarana ny famoaham-bokatra. Natolotra ny faritra noho izany ireo milina lehibe hanamboaran-dalana mba tsy ho diso anjara amin’ny fampandrosoana ny mponina aty. Natolotra ireo mpamily ireo milina ihany koa ny mari-pahaizana azon'izy ireo taorian'ny fiofanana izay narahiny hahafahany mampiasa ireto fitaovana antsakany sy andavany.

Vina napetrantsika ny fampandrosoana miainga avy ety ifotony ary tsy hisy intsony distrika ho adino.